Contact

jeudi 20 mars 2014

Tanora Malagasy ankehitriny

Amin'izao  vanin'andro izao dia maro ireo Tanora eto amintsika no efa tafalatsaka sahady any amin'ny firaisana ara-nofo. Na tanora lahy na vavy dia  voakasik'izany avokoa. Ny tena  mahagaga  sy tsy mampino dia ny taonan'izy ireo iza tena  kely tokoa. Manomboko amin'ny 10 taona dia efa  manao izany ny tanora eto amintsika. Maro ny antony mahatonga  izany toy ny fitaritan'ny namana, ny zavapisotro mahadomelina, ary koa ny haitao sy fahaita lavitra. Ny Ray amand-Reny koa moa efa revon'ny fitadiavana ka tsy mahita ary tsy maharaka izay ataon'ny zanany intsony. Nefa eto izahay dia  mndrara ny tanora  izay tsy mbola tafalatsaka  amin'izany tsy hiditra  amizany. Na any Amerika aza dia entanina mintsy ny tanora tsy hiditra  amin'izany fa  mba hijanona madio mandrapahatongan'ny fanambadiana. 
Eto ambany  dia misy fanadihadiana an-tsary iray natao tany Amerika manentina  ny Tanora tsy hiroso amin'izany firaisana aloha'ny fanambadiana izany ary milaza  indrindra koa ny tombotsoa retra azo avy amin'izany. Koa tsaitsaino tsara  fa na ry zareo Amerikana fototr'io "Film" mampianadratsy atsika io aza  miezaka  miala amin'izany firaisana alohan'ny fanambadiana  izany koa isika indray ve. Izany dia midika  fa  tsy zavatr  tsara avokoa  no hitasika amin'ny fahita  lavitra. Araho ampitiavana hatramin'ny farany  ary ny fanadihadiana an-tsary eo ambany.


0 commentaires:

Enregistrer un commentaire

Copyright © 2012 Malagasy Libre All Right Reserved
Designed by Malagasy Free